Misy hafatra miisa folo notsoahina tamin'ny tantaran'i Rainandriamampandry. 1-Meteza ho fototrolona. 2-Tiavo ny ankohonana. 3-Manolora tena ho an'Andriamanitra. 4-Loloavy ny tanindrazana. 5-Mitozoa amin'ny fianarana. 6-Tandrovy ny fahamarinana. 7-Mandalà fihavanana (adidy amin'ny havana sy ny fiaraha-monina). 8-Manàna tanjan-tsaina. 9-Mijoroa amin'ny maha-malagasy. 10-Miankìna amin'Andriamanitra. Rainandriamampandry dia olona nampisongadina ny soatoavina malagasy indrindra ny fanaovana ho zava-dehibe ny "fihavanana". Aza mitady ho vazaha fa mitoera ho Malagasy mandra-pahafaty...
Ny LFI na teti-bola lasitra ho an'ny fampiasàna ny volam-panjakana mandritra ny taona. Havadika ho lalàna eny amin'ireo Antenimiera izy io, rehefa alalinina sy fakafakaina ary ankatoavinin’ireo solombavambahoaka sy Loholona ho lalàna, isaky ny fivoriana ara-potoana faharoa manomboka ny talata fahatelo amin'ny volana oktobra. Mandritra ny taona manaraka no ampiharana azy, mety hisy kosa fanitsiana mandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany manomboka ny volana mey amin’ny taona diavina. Dia ireny efa nivoaka tamin’ny tambajotran-tserasera ireny ny sasantsasany voaraikitra anatin’io volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna io ho an’ny taona 2026.
Manana hasina ny ain'olombelona, natao ho hajaina sy harovana amin'ny fomba rehetra ; manana hasina ihany koa ny fahefana rehetra na ara-piaraha-monina, na ara-pinoana, ara-panjakàna, natao ho toavina. Very hasina ny fanjakàna izay sahy mandatsaka ain'olona, fa very hasina ihany koa ny vahoaka izay sahy manivativa sy manalabaraka ireo olona manana andraikitra, ray aman-dreny eo aminy sy ny fiaraha-moniny... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
9 novambra, alahady faha-32 tsotra mandavantaona - Fankalazana ny nitokanana ny Bazilika ao Latran - Fankalazana ny tenin’Andriamanitra : Izay rehetra mangataka ao an-tranoko dia mahazo, hoy ny Tompo; izay mitady dia mahita, ary izay mandondòna dia hovohaina. Ny Bazilika ao Latran dia Katedralin'ny Papa amin'ny maha Evekan'i Rôme azy, azo ambara ho tena trano lohan'ny Fiangonana eran-tany. Ankehitriny dia Latran ny Pape no manao ny Lamesan'ny Alakamisy-Masina hariva, ary manavao ny nataon'i Kristy nanasa ny tongotry ny Apôstôly ; tamin'ny 9 novambra 324 no nanokanana io Bazilika io. Latran : fiombonana, misterin'ny Eglizy tempoly, kristy ivon'ny fiainana...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco