Ny volana "JONA" dia fotoana natokana hanehoana ny fitiavan-tanindrazana, ny antoky ny fampandrosoana ny firenena dia io fitiavan-tanindrazana io. Ny volana "JONA" dia volan'ny Fanahy Masina, fanilo mitantana sy manoro lalana ny tsirairay ; fa volan'ny tafika Malagasy ihany koa ny volana "JONA", mampiavaka azy koa ny maha iray volan'ny ankizy azy. Ny iray volan'ny Teny Malagasy dia afahana manasongadina ny fitiavan-tanindrazana ihany koa ... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
12 jona — Misy Masindahy Guy roa no ho resahintsika androany : ny voalohany dia i Masindahy Guy Vignotelli tao Cortone. Izy ity dia fransisikanina teraka tamin’ny taona 1187, andriana izy io fa mahay manetry tena sy mandray olona tokoa.
• Nampiantsoin'ny Solombavam-bahoka teny Tsimbazaza androany maraina, ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Fivoriana nikaton-trano niresahana ny manokana ny momba ny tetibola natokana ho an'ny Solombavam-bahoaka no natao, hoy ny Minisitra... • Nidina an-dalambe naneho ny fitakiany indray androany ny mpianatry ny Sekoly Ambony Polytechnique Vontovorona. Nandrava ny hetsika tamin'ny entona mandatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana... • 10 jona, Andro maneran-tany ho an'ny asa tanana. Isan'ny nanamarika izany isika eto Madagasikara. An-tapitrisany ny Malagasy no mivelona amin'ny asa tanana. Mahavelona ny sehatr'asa, hoy ireo misehatra aminy...
♦ Hihaona mivantana eny Tsimbazaza ny alakamisy sy ny zoma izao ireo solombavambahoaka sy ireo mpikamban'ny governemanta. Fihaonana izay heverina fa hampafàna ny raharahm-pirenena amin'ity herinandro ity... ♦ Tsy nahitam-bokany ny fitakian'ny Fisemare ny fangatahana fahafahana vonjimaika ho an'ireo sendikalista roa, nampidirina am-ponja any Toamasina. Naneho ny alahelony ny faran'ny herinandro teo ity Sendikà ity... ♦ Hanomboka anio ny adina ara-panatanjahantena Bakalôrea ho an'Antananarivo sy ny manodidina. Kianja 6 no handray ny fanadinana hatrehan'ireo mpiadina maherin'ny 40.000...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco