Ny fotoana manokana dia tena manova fiainana na eo amin'ny mpivady na eo amin'ny mpianaka. Mitondra fiadanan-tsaina, fiadanam-po, fiadanam-panahy. Fehiny : mahasambatra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Ny 22 jolay 1981, no nigadona tao amin'ny Distrikan'i Bemaneviky ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, namaky lay tao amin'io toerana io, nanao ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly... ♦ Notokanana tamin'ny faran'ny herinandro teo iny ny Immeuble Voary, trano foiben'ny Caritas ao amin'ny Diosezin'Antsirabe... ♦ Nanentana ny mpino rehetra ny Papa, nandritra ny vavaka Angelus omaly, mba hanontany tena hoe : "Inona no tena fifandraisana marina amin'Andriamanitra, ary manao ahoana no namelomana ny finoana ?"...
♦ Hafatra ho an'ny Andron'ny Misiona taona 2021... ♦ Tontosa androany tao amin'ny EKAR Anosimasina Moramanga ny voadin'ireo relijiozy miisa 19, avy amin'ny Fikambanana Trinitera... ♦ Katesizy mikasika ny fahafahana kristianina no nentin'ny Papa François omaly, nandritra ny "Audience générale", tao amin'ny Efitrano Paul VI...
Ilaina ny fanokanana fotoana ho an'ny fianankaviana. Ny fotoana manokana, eo amin'ny mpivady, eo amin'ny mpianaka dia endriky ny fanehoam-pitiavana. Io fanokanana fotoana io dia mampifanakaiky am-po, sy hanova tanteraka ny rivo-piaraha-monina. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco