Ny mifanohitra amin'ny aina dia fahafatesana ; vao mitsaika ao am-bohoka hatramin'ny fahafatesana dia fotoana hikoloana sy hiarovana ny aina. Ny aina sy ny fitsaihina dia vokatry ny firaisana ara-nofo, mety ho tsy-nahiana fa mety ho tena tao anaty fitiavana tokoa. Ny aina no tena maha olombelona noho izany dia zava-dehibe sy tokony harovana ary hajaina mba hisy ny fitohizan'aina ara-boajanahary, eo koa ny sakafo sy ny fikoloana ny ara-pahasalamana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Nihaona tamin'ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron tany Paris ny tolak'andro teo, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Kolonely Randrianirina Michaël... • Nitohy tetsy amin'ny CCI Ivato androany, ny fihaonana tafiditra ao anatin'ny dinika ho fanaingana ny toekarena malagasy... • Tafapetraka ao Toamasina ny Centre Opérationnel Mixte, natao handrindra sy hanafainganana ny asa fanarenana any an-toerana, araka ny nambaran'ny Tale Jeneralin'ny BNGRC...
Ratsimilaho dia mpanjaka sy mpitari-tafika tao amin'ny Faritra Betsimisaraka, nizara telo ny foko tao amin'iny faritra iny dia ny Antavaratra, ny Tsikoa na Betanimena ary ny Antatsimo. Noho ny fiadiana ny harena izay nisy tao Toamasina sy Fenoarivo dia nanangana tafika i Ratsimilaho, nahitana miaramila 200 lahy ka ireo no nantsoina sy nomena anarana hoe "Betsimisaraka". I Ratsimilaho dia maty ny taona 1745 ary nalevina ao amin'ny Nosy Sainte-Marie. Ratsimilaho dia zanaka jiolahin-tsambo anglisy sy Rasoa na Rahena, avy amin'ny foko Zafiramisoa...
Vanim-potoana hanavaozana tokoa isika izao. Ady hevitra tsy afaka ambavan'ireo mpisehatra amin'ny fanabeazana ohatra ny hanovàna ny tetiandrom-pampianarana an-kapobeny. Ny marimarina kokoa dia ny hanitsiana izany, mba hanaraka ny toetr’andro. Tena hoe ny toetr’andro tokoa satria tsapa ho voaelingelin’izany ny alimanàka ao anatin'ny taom-pianarana iray, izay handrantoan'ny zaza malagasy fahaizana amam-pahalalana any an-tsekoly...
• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco