Ny fahasalaman'ny zaza vaoteraka hatramin'ny faha-5 taona dia ilàna fahalalana fototra : tonga volana ve ilay zaza (37 - 41 herinandro), nitomany mafy ve ilay zaza tamin'ny vao teraka, lanjan-jaza, ary tsara sy tomombana ve ilay zaza, misakafo tsara ve, ny fahadiovan'ny zaza sy ny sakafo. 1 taona ny zaza efa tokony hanomboka haleo tena, eo ihany koa no hanampiana ilay zaza hiteny marina sy mazava ohatra hoe "Tôtô" no hanazaratsika ny zaza anefa tokony hoe "Alika" ; ny fampianarana fahalalam-pomba sy fanalàna azy amin'ny tahotra, avela hilalao sy hifangarao amin'olona. ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Namoaka fehin-kevitra momba ny toromarika hiatrehana ireo fanadinam-panjakana, ireo talen-tsekoly katolika eto Madagasikara, nandritra ny fihaonambe tsy ara-potoana natao tao amin'ny Diosezin'Ambositra... • Tontosa ny 13 sy ny 14 ôktôbra 2026 ny fivoriana fanao isan-taona nataon'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana... • Hotanterahana rahampitso any Turin ny Sorona Masina fanirahana ireo Misionera Salezianina Don Bosco...
Tsy maintsy mifototra amin’ny fananganana orinasa manodina ny vokatra ara-pambolena isika raha te hanafaka ny fahantrana misy amin’izao fotoana izao, indrindra eny anivon’ny tontolo ambanivohitra. Manana fahafahana manao izany tsara i Madagasikara fa mila finiavana avy amin’ny rehetra ny fanatanterahana azy. Izay no votoatin’ny voka-pikarohana nataon’i Dokotera Rajaonson Hugues, mpahay toekarena, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny anjerimanontolo.
Zava-dehibe ny asa ataon'ireo matihanina, mikarakara olona an-tsitrapo, izay tena ialaina eo amin'ny fahasalaman'ny fiaraha-monina sy ny hatsaram-piainana iombonana. Maro ireo olona misehatra amin'izany asa fikarakarana ny hafa izany, ka izany no nahatonga ny Firenena Maikambana nanokana Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Asa Fikarakarana ny Hafa sy ny Fanohanana (Journée Internationa des Soins et de l'Assistance), izay ankalazaina ny 29 ôktôbra. Fandaharana "Fibeazana Miaina sy Mitia", iarahana amin'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Pastoralin'ny Fahasalamana...
• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco