Notendren’ny Papa François ho evekan’Ambatondrazaka i Mompera Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, Rektoran’ny Seminera Zokiny, fandalinana filôzôfia - Masindahy François de Sales ao Toamasina.
♦ Aleo halalaka amin'ny fotoana hananganany ny Governemanta, ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Tokely Justin... ♦ Miara-miasa amin'ny fiarovana ny tontolo iainana, ny Diôsezin'Antsiranana sy ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana. Nanatrika ny fanambarana ôfisialy momba izany ny Minisitra Max Fontaine Andonirina sy ny Arsevekan'Antsiranana Mgr Benjamin Marc Ramaroson... ♦ Firenena isan'ny manana tanjaka ara-toekarena eran'izao tontolo izao i Chine. Manohana ny asa fampandrosoana an'i Madagasikara izy ireo...
♦ Fanamasinana pretra miisa roa avy amin'ny fikambanana Spiritains, no namaranana ny fihaonan'ireo avy ao amin'ny Lehibem-pikamabanana avy amin'ny faitra Afrika sy ny Ranomasimbe Indiana... ♦ Efa vonona tanteraka amin'ny fandraisana ireo mpizaika hiatrika ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly ny Arsidiôsezin'Antsiranana... Nanentana ny rehetra hiady amin'ny hevitra efa voavolavola dieny mialoha ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly, fa hitana kosa ny saina misokatra...
Alahady faha-19 mandavantaona — B : Ilàna finoana ny Eokaristia ; Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. Tahaka ny niainan'i Elia nandositra ny hatezeran’i Jezahela, dia ilaina ny finoana sy ny fahatokisana an'Andriamanitra, tamin'izany izy dia nahazo vatsy nahafahany namakivaky tany an'efitra, 40 andro sy 40 alina ; noho ny hery azony tamin’izany hanina izany, dia niakatra ny tendrombohitr’Andriamanitra izy. Nisalasala tamin'ny tenin'i Jesoa ny Jody, raha nilaza hoe Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra”. Hoy izy ireo: “Moa tsy i Jesoa zanak’i Jôsefa va ity, izay fantatsika ny rainy aman-dreniny?. Mitaky finoana ny Eokaristia...
• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco