Mankalaza ny fetin'ny Noely ny fiangonana tatsinanana amin'ity anio ity. Niarahaba sy nirarisoa ho an'ireo mpino rehetra manaraka izany tetiandro izany i Papa François, omaly.
« …Indro hafaliana lehibe no ambarako aminareo » Lk 2,10. Arahabaina nahavita soa ny Noely ary mirary soa anareo rehetra amin’izao taona vaovao 2020.
Mankahery ny Malagasy hiaina hatrany ny firaisan-kina naseho nandritra ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa François i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy , Arsidiosezin’Antananarivo. Arahantsika ny firariantsoa atolony ho an’ny vahoaka Malagasy amin”izao taona vaovao 2020 izao.
Endrika tena maha Malagasy ifotony tokoa ny fifanampiana, toy ny fifanomezan-tanana, tan-tsoroka, valin-tanana ary ny tana-maro. (18-12-2019)
• Tonga ao amin'ny Diosezin'Ambanja ny relikan'i Masindahy François d'Assise... • Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny “Aumônerie Catholique de l'Administration Pénitentiaire” (ACAP) eto Madagasikara... • Mamarana ny fankalazana ny faha-100 taona nahatongavany teto Madagasikara ny Fikambanana Trinitera...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco