• Manentana ny mponina ato amin'ny Faritra Analamanga, mba hazoto hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana, ny Lehiben'ny Fairtra mpisolo toerana, Raharinirina Clémence... • Mitohy hatrany ezaka ataon'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana, hamongorana ny fiparitahan'ireo entana lany daty manerana ny nosy, amin'ny alalan'ireo kaomisera sy mpanara-maso ny varotra... • Tafapetra ofisialy eny Antanimora ny “Aumônerie Catholique de l'Administration Pénitentiainre” na ny ACAP. Sampana misahana ny fitantanana ara-panahy ny mpandraharahan'ny fonja izy io...
Misy hafatra ho an'ny tanora hiditra amin'ny sehatry ny fanambadiana ; ity voambolana farany ity dia ahitàna foto-teny "VADY", izay midika ho fameno ihany koa. Ny fiainana teo anivon'ny ray aman-dreny sy ny fianakavina dia efa sehatra lehibe hanomanana sy hiombanan'ny tanora, hiriso amin'ny fanambadiana, isan'ireny ny andraikitra madinika sy ny maro hafa izay omena hizarany... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
---/... Dila tokoa iny ny andro iray izay niaraha-niombona sy nanehoana ny hoe fisaonam-pirenena. Tsy afa-nidify tamin'izany koa fa niombom-po tamin'ireo Malagasy ny AROFANINA. Marary mantsy izany hoe zanaka, havana, mpiray tanindrazana nivoaka ny trano dia tsy hita... saingy afaka andro vitsy...efa vatana mangatsiaka. Dia hanao ahoana ny ho tohiny, hoy ny Arofanina, nandingan-davitra, satria efa miverina sy manohy ny andavanandrom-piainany indray ny rehetra? Tena ilaina aloha ny fahamailoana miainga amin'ny tsirairay satria ady iraisan'ny vahoaka tsy an-kanavaka ity raharaha mitranga ity...
Manana andraikitra manokana ny Kardinaly eo amin'ny firenena misy azy, mitondra ny feon'ny vahoaka, ary tsy afaka ny hangina manoloana ny tsy rariny. Ny Eveka dia manana adidy hitondra ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny lalan'ny fahamarinana, fiarovana ny aina ary ny fihavanana. Efa ela, nanoloana ireo mpanjanaka, ireo Eveka misiônera no nitondra sy nanao tatitra mikasika ny zava-nisy ary tsy mena maso miteny ny tsy rariny, hatramin'ny taona 1945, ary maro ireo tahirin-tsoratra manamarina izany maneho ny tatitra nalefa tany Rome... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Tonga ao amin'ny Diosezin'Ambanja ny relikan'i Masindahy François d'Assise... • Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny “Aumônerie Catholique de l'Administration Pénitentiaire” (ACAP) eto Madagasikara... • Mamarana ny fankalazana ny faha-100 taona nahatongavany teto Madagasikara ny Fikambanana Trinitera...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco