• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
26 Jona 2025, feno 65 taona amin’ity taona ity no niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Amin’ny maha firenena mahaleotena antsika izay, dia mari-pamantarana an’izany ny fananana ny sainam-pirenena. Manana ny sainam-pirenena mampiavaka antsika amin’ny firenena hafa i isika malagasy. Teo amin’ny tantara dia ny Romana sy grika no nampiasa ny saina voalohany nentina namantarana ny Fanjakana sy ny antokon-tafika tao aminy. Fampiasa tamin'ny sehatry ny ady hanavahana ny tafika mifanandrina avy ny saina. Tamin'ny taonjato faha 16 kosa vao nanana ny endriny fahita amin'izao fotoana izao ny saina dia ny lamba mihofahofa.
16 jona — Teraka ny 31 janoary 1597 tao Fontcouverte, Aude i Jean-François Régis. Tsotra ireo ray aman-dreniny. Ary mbola kely izy dia efa niseho ho apôstôly raha izy nianatra tao amin’ny kolejin’ny jezoita tao Béziers. Teo amin’ny faha-19 taonany izy no niditra tao amin’ny noviciat tao Toulouse, ary modely ho an’ny mpianatra rehetra izy tao.
Ny fahantrana dia vokatry ny fitiavan-tena. Antony fahantrana : tsy manangom-bola mihitsy eo amin'ny fiainana, tia mividy zavatra mora, manao trosa lava, tsy mifanampy, miteraka aloha loatra anefa tsy mbola manana ninoninona, miandry foana ny hafa (mangataka lava), tsy mianatra sy tsy tia mamaky boky, tsy manana tanjona mazava, tsy manana fahazaranan-tsaina hamokatra, tsy mino hadingana fiovana, mora kivy... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco