15 mey — Masindahy Isidore tsarona izao dia ilay niaina teo anelanelan'ny taona 1070 ka hatramin'ny 1130. Teraka nanodidina ny taona 1070 teo mantsy i Isidore, tsy mba nanam-bola aman-karena ny ray aman-dreniny fa ny oha-pitondran-tena tsara, sy ny finoana, ary fahatahorana an'Andriamanitra no nampianariny azy.
Anisan'ny tena mampiavaka ny Eglizy Katôlika izay manana ny toetrany manokana (iray, masina, katôlika, apôstôlika) ny fananany rafitra maty paika sady matotra ka ijoroany hatrany am-piandohana hatramin'ny namoronan'i Kristy azy tamin'ny Apôstôly dia i Piera no filohany sy ireo dimbiny mandrak'ankehitriny dia ny Papa. I Jesoa no nanorina ny Eglizy ary nametraka azy eo ambany fahefan'ny Apôstôly... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Nampiombona ny fitopin'ny mason'izao tontolo izao tao anatin'ny andro maromaro ny zava-misy any Vatican. Indreo fa samy niresaka, naneho hevitra, ary indrindra naminavina izay mety ho dimbin'i Md Piera ireo mpiserasera. Tsy ny mpino katôlika ihany fa na ny tany an-tokantrano, hatrany anaty fitateram-bahoaka, toeram-piasana, indrindra ireo mpampiasa tambajotran-tserasera dia voasarika tamin'ny zava-nisy tany an-toerana. "Izao no izy, tsy izany fa izao:..." tonga amin'ilay momba fiteny hoe: Katolika alohan'ny Papa mihitsy.
12 mey — Andeha i Md Nérée sy Md Achilée no ho resahintsika satria martiry niaraka izy ireo. Izy ireo dia mpanompon'i Masimbavy Flavie Domitilla, ary ny fitiavam-bavaka nasehony no nampibebaka an'io zanaky ny mpanjaka io, sy nahatonga azy nahatoky azy ireo.
• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco