Alahady faha-20 mandavantaona — B : Tena fihinana ny nofoko, tena fisotro ny rako ; ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; hamasino amin’ny fahamarinanao izahay. Ampy hanafaka anoanana ny rehetra ny mofo masina, araka ny voalaza ao amin'ny Ohabolana : Avia hano ny mofoko, ary sotroy ny divay nampifangaroiko. Ilaozy ny tsy fahalalana, dia ho velona ianareo; ary mizora amin’ny lalan’ny fahazavan-tsaina”. Tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako hoy Jesoa ; mampisitraka fahasoavana maro ny fihinanana ny Vatan'i Jesoa ny Rany, ary mampandova ny fiainana mandrakizay. Ilàna fahamendrehana ny fandraisana ny Eokaristia, ilàna finoana, ilàna fanetrentena...
♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'Ambatondrazaka i Mompera Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, Rektoran'ny Seminera Zokiny fandalinana filôzôfia, ao Toamasina... ♦ Nomarihana tamin'ny fanombohan'ny volana aogositra teo ny JMJ andiany fahatelo ho an'ny Diôsezin'Ambanja...
Notendren’ny Papa François ho evekan’Ambatondrazaka i Mompera Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, Rektoran’ny Seminera Zokiny, fandalinana filôzôfia - Masindahy François de Sales ao Toamasina.
♦ Aleo halalaka amin'ny fotoana hananganany ny Governemanta, ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Tokely Justin... ♦ Miara-miasa amin'ny fiarovana ny tontolo iainana, ny Diôsezin'Antsiranana sy ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana. Nanatrika ny fanambarana ôfisialy momba izany ny Minisitra Max Fontaine Andonirina sy ny Arsevekan'Antsiranana Mgr Benjamin Marc Ramaroson... ♦ Firenena isan'ny manana tanjaka ara-toekarena eran'izao tontolo izao i Chine. Manohana ny asa fampandrosoana an'i Madagasikara izy ireo...
• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco