Tsy eken'i Jesoa ny fahefana mamoritra sy ny fahefana jadona ampiharin'ireo mpitondra amin'ny fireneny (Mk 10, 42). Tsy nisalasala i Jesoa niteny mafy teo anatrehan'ny tsy rariny nataon'ny mpitondra. Hita ohatra amin'izany ny fifandraisany tamin'i Heroda "... mandehana lazao amin'izany amboadia izany hoe : indro mandroaka ny demony sy manasitrana marary aho...". Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
♦ Tontosa ny sabotsy 11 nôvambra 2023, ny fanaovam-beloma farany an'i P. Jean Marcellin Ramiandrisoa, pretra Salezianin'i Don Bosco; sy i Sr. Teresa Leonik, Fille de Marie Auxiliatrice, izay samy nodimandry ny 7 nôvambra 2023... ♦ Nanasa ny rehetra hikarakara ny fiainana anaty ny Papa François, nandritra ny vavaka Angélus, ny alahady teo...
Ny fiangonana mampianatra mikasika ny fiaraha-monina sy ny hay fitantanana ary ny fitandroana ny rariny sy ny hitsiny ho an'ny vahoaka. Ny fiangonana dia mampianatra fa ny fahefana rehetra dia avy amin'Andriamanitra, natao hikatsaka ny soa iombonana ary ihany koa tsy manavakavaka ; mifanaja sy mifampitaona ho amin'ny fiombonana sy ny fihavanana.
12 nôvambra 2023 — Alahady Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Miambena sy mivonòna ianareo fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 1-13)
• Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny seminera no fandaharam-potoana isaky ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Zanaky ny Fiangonana miisa 220 mianadahy no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana omaly, namaranana ny fitsidihana pastoraly tao amin'ny Distrikan'Ambohimena, Diosezin'Antsirabe... • Nosokafana tamin'ny sabotsy teo teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely, ny faha-10 taonan'ny Ansiklika Laudato Si...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco