♦ Mijoro ankehitriny ny vondrom-pirenena mpanelanelana, ahitana ireo ray aman-dreny efa nitana andraikitra ambony teto amin'ny firenena. Manomana fihaonana miaraka amin'ny hery velona samihafa izy ireo... ♦ Miray feo amin'ny fitakiana ataon'ny sendikàn'ny Vondron'ny rano sy ny ala, na ny SCOFAFOR, ny sendikà ivondronan'ny mpiasa ao amin'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, na ny SMPE... ♦ Mirotsaka an-tsehatra manomana ny fifidianana any amin'ny kaominina, hotanterahana amin'ity volana nôvambra ity, ny tompon'andraikitra ao amin'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra...
Ny lalao dia fialamboly hikatsahana fafinaretana, fitaizana sy fanabeazana. Ny tanjona amin'ny lalao iray dia fitantanana ny olona iray haleo-tena, hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy, hahay hiaina fandresena sy fahombiazana. Ny lalao dia nentina namondronana olona maromaro hisehoan'ny firaisan-kina. Ny lalao malagasy dia maro ary misy ho an'ny sokajin-taona rehetra sy ny sokajin'olona : vavy sy lahy, zaza, ankizy, tanora, lehibe. Ny lalao dia sady afahana mampiasa vatana no azo hampiasana saina ihany koa. Ny dihy sy ny hira dia isan'ireo lalao malagasy...
Ao amin'ny Eglizy, manana toerana lehibe ny fianakaviana araka ny fomba fiteny efa mahazatra antsika hoe ny fianakaviana dia Eglizy kely ao an-tokantrano. Sarobidy eo imason' Andriamanitra ny fianakaviana satria teo amin'ny tantaram-pamonjena, fianakaviana tao Nazareta no nidiran'ilay Olona faharoa amin'ny Trinite Masina ka nanatanterahiny ny Mistery Fahatongavana ho Nofo. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
♦ Notontosaina omaly 5 nôvambra 2023 ny fanaovam-beloma farany an'i Mgr Antoine Scopelliti... ♦ Mangataka amintsika rehetra mba hivavaka ho azy, amin'ny maha mpiandry ondry azy, ny Papa François, ho an'ity volana nôvambra ity... ♦ Isaky ny alahady voalohany amin'ny volana nôvambra no natokana hivavahana ho an'ireo olona maty teny an-dranomasina, izay karakarain'ny "Apostolat de la Mer" ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina...
• Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny seminera no fandaharam-potoana isaky ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Zanaky ny Fiangonana miisa 220 mianadahy no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana omaly, namaranana ny fitsidihana pastoraly tao amin'ny Distrikan'Ambohimena, Diosezin'Antsirabe... • Nosokafana tamin'ny sabotsy teo teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely, ny faha-10 taonan'ny Ansiklika Laudato Si...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco