27 septambra 2023 — Masindahy Vincent de Paul, Pretra, Mpiaro faharoa an'i Madagasikara — Fankalazana — Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 35-38)
♦ Nahazo Vikera Jeneraly miisa roa ny Diôsezin'Antananarivo. Mômpera hatrany, no iantsoana azy ireo amin'izao fanendrena azy ireo izao... ♦ Tsy noraisin'ny HCC ny fitoriana napetraky ny kandidà miisa 11, ny 22 septambra lasa teo, mitaky ny hanafoanana ny fanapahana navoakan'ny HCC ny 9 septambra 2023... ♦ Nivoaka ny efitrano fivoriana niarahan'ny FFKM sy ireo kandidà ho Filoham-pirenena, ny takariva teo, ny solontenan'ny kandidà laharana faha-3...
Dingam-piainana lalovan'ireo mpanao ny fomba malagasy ny "ala volon-jaza". Hatramin'ny taloha dia eo amin'ny fotoana handraisan'ny zaza ny fahatelon'ny volana nahaterahany no hanaovana io fomba io. Ara-pomba malagasy dia ny amin'ny vanim-potoanan'ny lohataona misandratr'andro fanatontosana azy, ny ankohatra izay dia izay andro hambaran'ny mpanandro. Ny ala volon-jaza dia azo atao ihany koa hoe ala sonia. Ny sonia dia ilay volo eo ambonin'ny sofina ka ny eo amin'ny havia no atao hoe sonia ratsy ary ny eo amin'ny havanana no sonia tsara...
Ny fanatontoloana ny fiharian-karena, ny fanalalahana ny tsenam-barotra, ny rivotry ny fifaninana ary ny fahamaroan'ny orinasa mifantoka manokana amin'ny famatsiana entam-barotra voahodina sy ny asa fandraharahana dia mitaky tsenan'asa afa-manaraka tsara ny onjany, toraka izany koa ny fandrindrana sy ny fitantanana ny fizotry ny famokarana... Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco