Aleo kely ombam-pahatahorana ny Tompo, toy izay ny harem-be omban'ny tsy fahamarinana. Matoa mahantra ny firenena dia mbola betsaka ny kolikoly. Ilaina ny fialan-tsasatra satria izany no hatsiarovana ny asan'Andriamanitra, tamin'ny fahariana izao tontolo izao. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Isan'ny nampiavaka an'i Md Joany Bosco ny fikarakarana ny tanora amin'ny fanabeazana tamin'ny alalan'ny lalao, finoana ary vavaka. Ny finoana katôlika dia manao zava-dehibe ny fanabeazana amin'ny alalan'ny fanatanjahantena, ny fianarana mozika sy ny lalao isan-karazana, tanjona hitaizana ny vatana sy hikolokoloana ny saina. ireo dia fototra hametrahana ny fitsipi-piainana entina miahy ny fanindriana ny fo manoloana ny fahatezerana...
27 aogositra 2023 — Alahady Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Taona A — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-20)
Ny fanaintainana vokatry ny goty dia tsy tanty ; azo tsaboina ny goty izay mifototra amin'ny fanalana fanaintainana sy fampidinana ny tahan'ny "acide urique" ao amin'ny vatan'ilay marary. Ny mpitsabo ihany no afaka mamaritra ny tena aretina mahazo ny olona iray, ilaina ny fitandremana amin'ny sakafo. Samihafa ny goty sy ny arthrose, ity farany dia manaitaina isaky ny manetsika ny vanin-taolana : lohalika, valahana, laton-tanana ; ankoatra io dia ny fahararian'ny lalan-dra madinika mamelona ny fo...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco