Tsara indrindra no nanaovan'Andriamanitra antsika fa isika ihany matetika no manimba sy mamono io hatsarantsika io. Voalohany amin'ny hatsarana ny vatana sy ny saina tomady. Ezaka lehibe no vitan'ny manam-pahaizana nanome mari-drefy hahafantarantsika ny toe-batantsika ka handanjalanjana ny andraikitra raisintsika hitazonana izany.
Tafahitsoka anaty fahantrana lalina ny malagasy. Mila mandray andraikitra ny tsirairay indrindra ireo mpitondra isan'ambaratongany mba tsy hisy fipoahana ara-tsosialy. Mba hialana amin'ny fahantrana dia mila manao ezaka ny rehetra mba tsy hiankin-doha amin'ny avy any ivelany na koa haneho hakamoana. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
♦ Velaran-tany mirefy 140.000 hekitara no hofendrahana fanafody famonoana valala any amin'ny tapany atsimon'ny nosy. Ranom-panafody mifatra 40.000 litatra hiadiana amin'ny andiam-balala no noraisina tamin'ny fomba ofisialy teo Ivato androany... ♦ Noraisin'ny Bianco, hanaovana fanadihadiana lalina, ny fitorian'ny Randrana Sendikaly momba ilay raharaha fivoahan'ny volabe teo anivon'ny CNaPS...
♦ Ny fahadiovana dia isan'ny endriky ny fahavanonana ary maha tompon'andraikitra... ♦ Tany manan-karena fa tsy tokony ho firenena mahantra i Madagasikara...
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco