♦ Hanome lanja ny fiarovana ny zon'ny mpanjifa, manoloana ny fivoarana momba ny nomerika ankehitriny, ny fanjakana malagasy. Isan'ny nanamarika ny Andro Iraisam-pirenena momba ny Zon'ny Mpanjifa i Madagasikara, androany... ♦ Voapoizina noho ny fanariana rano maloto tao amin'ny renirano manodidina ve no nahafaty ireo tondro tao amin'ny renirano any Taolagnaro ? Hanaovana fitsirihana teknika sy siantifika ao amin'ny Laboratoire INSTN ao Antananarivo ireo trondro maty ireo...
Ny fandroana dia andro manan-daza tamin'ny malagasy ary saika ahitana izany ny faritra samihafa. Ny fandroana dia andro natao hidiovana, hialana amin'ny loza sy ny rofy, andro hifamelana. Ny fandroana dia mifototra amin'ny rano izay midika ho "aina". Misy ny fombafomba sy ny dingana hatao mandritra ny fandroanaka : voalohany, ny fiomanana, faharoa ny ivon'ny fandroana ary ny fahatelo dia ny fitodiana. Ny "temim-pandroana" dia didy ary ny "fo tsy haritra" no didy nanalefaka io...
Mioty ny vokatra isika rehefa tsy kivy. Ampahatsiahivin'ny karemy antsika isan-taona fa "tahaka ny fitiavana ihany, ny tsara, ny rariny sy ny hitsiny ary ny firaisan-kina dia tsy mba azo indray maka dia vitan'izay, fa tolona ilofosana isan'andro vaky no hananana azy. (Ibid. n°11). Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.
Ao anaty herinandro faha-roa amin’ny Karemy isika. Hodinihintsika manokana mandritra ny herinandro ireto hatsaram-panahy roa lehibe izay mifototra indrindra amin’ny fiainana maha-kristianina antsika tsirairay avy : « Fangorahana sy fahalalan-tanana ». Fandinihina masina iarahana amin'ny Fr. Michel Fabrice Razafimandimby, sdb.
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco