Ny fifanajàna no fototra sy toetra maha olom-banona. Ny olom-pirenena manana zo hifidy dia manana fahefana hamaritra ny olona hitondra ny fireneny, ary izany no antoka hampandrosoana. Manana adidy ny hiaina ny fahamarinana ny olona rehetra, samia miezaka hiala amin'ny risoriso, ny fitiavantena sy ny toetra ratsy hafa ; ny mpanao gazety dia tompon'andraikitra amin'ny fitaizana, tokony hasongadina kokoa ny soa iombonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Tompon'andraikitra miaraka amin'ny reny hatrany ny raim-pianakaviana amin'ny fanabeazana ny zanaka vavy ny ray. Toy ny renim-pianakaviana dia tsy maintsy miomana ihany koa ny ray amin'ny fanabeazana ny zanaka. Tsy tokony hasiana fanavakavahana na tombony manokana ho an'ny zanaka lahy na vavy. Ny fifankahazoana eo amin'ny ray sy ny zanaka vavy dia voajanahary anefa tokony hazava tsara ny fahefana maha ray sy maha raiamandreny... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
30 ôktôbra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahatelopo Mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 22-30)
♦ Nampahafantarina androany tamin'ny alalan'ny atrikasa ny tombana fanadihadiana momba ny sakafo, ho an'ny taona 2016—2022. Nivoitra fa mibahana kokoa amin'ny prôtida sy ny lipida sakafon'ny Malagasy ny avy amin'ny zavamaniry... ♦ Handaha-teny amin'ny fihaonana iraisam-pirenena, hatao any Colombie, momba ny fiarovana ny karazan-java-manana aina, ny Minisitra Malagasy, Andonirina Max Fontaine... ♦ Miverina indray ny asan-dahalo ao amin'ny tapany andrefan'ny Distrikan'i Betroka. Manampy trotraka ny olan'ny vahoaka ny fanararaotam-pahefana ataon'ny mpitandro ny filaminana sasany...
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco