♦ Nanatanteraka ny fivoriambe ara-potoana faharoa ny Vaomeiran'ny Eveka misahana ny fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana, ny 15 hatramin'ny 18 ôktôbra 2024. Misy ny hafatra navoaka tamin'izany... ♦ Tanterahana ety amin'ny Maison Don Bosco Ivato ny “CIVAM Formations”, nanomboka ny 19 hatramin'ny 22 ôktôbra 2024... ♦ Nisaotra ireo olona maro taonga niara-nimbom-bavaka tamin'ny fanandratana ho olomasina ireo olontsambatra 14, ny Papa François omaly, talohan'ny vavaka Angelus...
Nandefa hafatra ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena sy ho an'ny vahoaka Malagasy, ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fahamarinana sy ny Fiadanana, na Justice et Paix, tao aorian'ny fivoriambe faharoa natao ny tamin'ity taona 2024 ity, ny 15 hatramin'ny 18 ôktôbra 2024.
Ny fanamafisana ny fifankatiavana eo amin'ny mpianakavy dia ny vavaka. Manampy amin'ny fiombonan'ny fianakaviana ny vavaka : vavaka alohan'ny sakafo, alohan'ny hatory, fanolorana ny andro... Azo hitarina amin'ny mpiray tanàna ny fiaraha-mivavaka, mampivelatra ny fifandraisana sy ny fifankatiavana, tsara ny mifanentana amin'ny fitiavam-bavaka... Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
20 ôktôbra 2024 — Alahady Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 35-45)
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco