Ny fampihenàna ny fampiasàna arona sy fonosana plastika dia laharam-pahamehana ho an'i Madagasikara mba ahafahana miaro kokoa ny karazan-java-mananaina izay tokana sady sarobidy eo aminy. Noho izany dia mila ezaka bebe kokoa hatrany eo amin'ny haitaky amin’ny fampiharana ny lalàna 2017-010 ny 3 jona 2017, ny famporisihina ireo sehatra tsy miankina amin’ny fampiroboroboana ny famokarana vokatra vaovao sady maharitra mahasolo ny arona sy ny fonosana plastika, ary ny fanentanana ireo mpiray tanindrazana hirona bebe kokoa amin’ny fampiasàna ireo vokatra mahasolo ny plastika. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Maro ny sakana mahatonga ny olona tsy ho afaka mivavaka. Misy ohatra ny fahajambana no manahirana azy, kanefa raha ny maso no nanahirana dia misy fomba hafa toy ny fampiasana ny sofina. Samy manana ny sakana tsy hahafahany mivavaka ny tsirairay ; mety ho olona no manakana, mety ho ny fotoana, na asa, na fahazarana sy fiankinan-doha amin'ny zavatra. Tsy mitovy ny hoe "kamo mivavaka" sy ny tsy manam-potoana. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
♦ Nitsangana androany ny Kômity Miaro ny Safidim-bahoaka. Fitoriana telo sosona no hapetraky ny Vovonana Firaisankina, noho ny ambaran'izy ireo fa hosoka sy fanodikondinana ny safidim-bahoka, tamin'ny fifidianana teo... ♦ Manoso-kevitra ny hamoahan'ny CENI ny voka-pifidianana isaky ny birao fandantsaham-bato ny KMF/Cnoe. Namoaka fanambarana androany ity kômity ity, manoloana ny toe-java-misy eto amin'ny firenena...
Anjaran'ny olom-pirenena no manomana ny ho aviny, azy ny safidy ary izy no tompon'andraikitra amin'izay mety ho voakatry ny safidiny. Herisetra ny fanerena ny olona amin'ny safidiny amin'ny alalan'ny fanomezana isan-karazany, indrindra raha vao miteraka fahavoazana ho an'ireo hiarany. Ny mamaritra ny ho avin'ny tsirairay dia mifototra amin'ny safidy hatrany, amin'ny sehatra rehetra. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco