Anjaran'ny olom-pirenena no manomana ny ho aviny, azy ny safidy ary izy no tompon'andraikitra amin'izay mety ho voakatry ny safidiny. Herisetra ny fanerena ny olona amin'ny safidiny amin'ny alalan'ny fanomezana isan-karazany, indrindra raha vao miteraka fahavoazana ho an'ireo hiarany. Ny mamaritra ny ho avin'ny tsirairay dia mifototra amin'ny safidy hatrany, amin'ny sehatra rehetra. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny reny dia loharanom-panantenana, loharanom-pitiavana, loharanom-pahatsorana. Ny Reny no mamindra ny aina ho an'ny zanaka, avy amin'Andriamanitra. Tandindonin-doza hatrany anefa ny aina, ary ny fototry ny ady matetika dia fiarovana ny "aina", ny aina dia fitiavana. Ny fanabeazana atao eny anivon'ny ankohonana dia ipoiran'ny fanantenana, izay ny reny no tena miandraikitra azy. Ny vehivavy ela velona noho ny lehilahy, taratry ny fanantenana. Ny reny dia manana fahatsorana izay mampilamina ny ankohonany. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
5 jona 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava, manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 18-27)
♦ Nanao fampitahana ny voka-pifidianana teny amin'ny CENI Alarobia androany, ny kandidà Firaisankina ao amin'ny Boriborintany Voalohany ao Antananarivo Renivohitra. Tsy azo ekena ny isan'ny mpifidy notovanana, hoy izy... ♦ Misy mampiahiahy ny fandaharam-pianarana vaovao araka ny fanavaozana atao amin'izao fotoana izao, hoy i P. Jules Ranivoson, Sekretera Jeneralin'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fanabeazana sy ny Fampianarana Katôlika, ka ilana fiaraha-miasa izany...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco