Ao natin'ny "TENY" dia misy hery miafina, koa tokony hitandrina isika amin'ny "teny" lazaina : mety ho tso-drano ary mety ho ozona. Ny teny dia endrik'Andriamanitra ao amintsika olombelona noho izany dia tokony ho "TENY" famporisihana mitondra soa ho an'ny hafa no hatao fa tsy fandatsana sy fandrabirabiana. Ady lehibe ny ady ara-toekarena koa samia miezaka sy manome lanja ny haren'ny firenena... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
10 aprily — Tsy fantatra mazava izay toerana mazava nahaterahan'i Fulbert, fa hoe avy amin'ny fianakaviana mahantra izy. Ny fantatra momba azy dia ny fanarahany ny fampinaran'i Gerbert d'Aurillac tao Reims tamin'ny taona 984. I Gerbert d'Aurillac io ilay papa Sylvestre II taty aoriana.
Ny "andropause" dia fihenan'ny ely "testostérone" eo amin'ny lehilahy izay efa zokiolona. Ny andropause dia sady tsy tranga mitranga ara-potoana ary tsy voatery miaraka amin'ny soritr'aretina. Mihena tsikelikely ny taha sy ny kalitaon'ny testosterone. Ny hatavizana dia maha aingana ny fisehon'ny "andropause". Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Miankina amin'ny fahaizan'ny mpitondra miady hevitra sy mandresy lahatra no mety hidinan'ilay tataon-ketra 47 % takian'ny fitondrana Amerikana, hoy ny Depiote Imbiky Herilaza... • Mahatratra 14 tapitrisa Dolara ny vola very momba ny jono tsy manara-dalana ho antsika eto Madagasikara... • Mandalo eto Madagasikara manao tombana ny asa natao tamin'ny alalan'ny tetikasa notohanany, ny iraky ny RI-FAR avy any Frantsa...
• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco