Ny fanantenana dia ilaina eo amin'ny fiainana mba hisian'ny fivoarana. Ny fanantenana dia mametraka tanjona mandrakariva, koa manàna àry fanantenana eo amin'ny fiainana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Misy teboka 8 azo anabeazana ny zanaka mianatra hahay mizaka-tena, sy teboka 3 hatonga azy ho tompon'andraikitra, ireo dia samy mifantoka kokoa amin'ny fanabeazana. Ny mahay dia mahafehy ny fahalalana iray nampianarina ny olona iray ary lasa fahazarany. Ny mizaka tena dia tsy miandry tohana avy amin'ny hafa fa izy tenany no mikaroka hevitra hamahany ny olany sy mampiatra izay nianarany manoloana ny tranga iray. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
17 aprily 2024 — Alarobia, Herinandro fahatelo Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 35-40)
♦ Tanterahana eto Madagasikara mandritra ny telo andro ny atrikasam-paritra momba ny fepetra ara-pahasalamana sy ny fomba ikarakarana ny zava-maniry iantohana ny fahasalaman'ny mpanjifa ho an'ireo firenena ao amin'ny Vondron'ny Ranomasimbe Indiana na ny COI... ♦ Hisitraka tombontsoa maro manoloana ny fahavitan'ny tohadrano ny mponina ao Ambohimasina Distrikan'Arivonimamo, Faritra Itasy... ♦ Tsy mankasitraka ny fanapahan-kevitry ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony, momba ny toerana hiatrehan'ireo kandidà tsy miankina, amin'ny fanadinana Bakalôrea amin'ity taona ity, ny Vovonan'ny Sekoly tsy miankina...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco