Ny fanabeazana eo anivon'ny ankohonana dia antoky ny fivelaran'ny zanaka, ary manana anjara toerana lehibe amin'izany ny vehivavy. Ny vehivavy mijanona, miasa ao an-trano dia afaka miarina sy miray hina hampandrosoana ny firenena. Misy voka-tsoa ny fijanoan'ny vehivavy na ny reny miasa ao an-trano, isan'ireny misy hafanana sy maresaka mandavantaona ao an-trano, mitombo kokoa ny fifandraisana. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
20 marsa 2024 — Alarobia, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 31-42)
♦ Manome lanja ny mpiasa misehatra amin'ny asa sôsialy, ny fitondram-panjakana. Fanambarana nataon'ny Minisitra Razakaboana Hanitra, nandritra ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Asa Sôsialy sy ny faha-20 taonan'ny FPT SD, teny Analakely... ♦ Mbola nisy tamin'ireo mpiasan'ny SMA no nanohy ny fitakiana androany. Tsy afa-po tamin'ny karama noraisiny izy ireo... ♦ Nandray ny asany androany ny Tale Jeneralin'ny Fambolena sy ny Fiompiana, Anondraka Michel, ao amin'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana...
Ny Taom-baovao sy ny alahamady ary ny alahamady be dia samy voasokajy ho ao anatin'ny kolon-tsaina malagasy. Raha fomba sy riba no misongadina kokoa amin'ny Taom-baovao sy alahamady dia ahitàna finoana kokoa ny alahamady be satria misy vavaka sy fangatahana amin'ireo manana ny satan'ny Razana, Zanahary ; ankoatra ireo taranaka andriana mpandala sy mpanamarika ity fotoana ity dia fotoana hihaonan'ireo mpanazary manerana ny nosy amin'ny toerana voafaritra ihany koa io mba hanatanterahana fomba maro samihafa sy hifanakalozana traik'efa sy fahalalana mba entina hanasoavana ny vahoaka indray amin'ny taona hodiavina. Volana avrily no fotoana matetika fanamarihana ny alahamady be...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco