♦ Notendren’i Papa François ho Evekan’i Miarinarivo, tamin’ny sabotsy 9 marsa 2024, i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa… ♦ Hotanterahana ny 19 hatramin’ny 21 aprily 2024 ny pèlerinage miaraka amin’ny Olontsambatra Lucien Botovasoa, sady fanokafana ny faha-800 taona nandraisan’i Masindahy François d’Assise ny fery dimin’ny Kristy… ♦ Tsy sitrak’Andriamanitra hisy ho very na dia iray aza isika, hoy ny hafatry ny Papa François, tamin’ny vavaka Angélus, omaly… ♦ Niantso ny mba hisian’ny fiadanana sy ny fampihavanana ao Haïti, ny Papa François…
Ny sakramantan'ny fampihavanana dia ny penitasy izay sakramenta manafaka ny fahotana taorian'ny Batemy. Tamin'i Jesoa nilaza tamin'ny Apôstôly hoe "raiso ny Fanahy Masina, ny fahotana izay avelanareo dia ho voavelo ary izay ho tananareo dia ho voatana" no nanaovan'i Jesoa Kristy ny "penitasy". Ny manafaka ny fahotana amin'ny penitasy dia famotsorana omen'ny Pretra. Ny famotsorana dia famelan-keloka homen'ny Pretra. Misy dingana tokony hajaina rehefa handray ny sakramentan'ny penitasy : fandinihan-tena, manao fiampangan-tena, manantona ny pretra mamboraka ny fahotana, manatanteraka ny asa fanonerana...
Alahady fahaefatra amin'ny karemy : tia antsika mpanota ny Ray ; lehibe tokoa ny fitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany tokana mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy. Ny farisianina dia olona tsy nifankahazo tamin'i Kristy anefa niantso azy hoe Mpampianatra, ho an'ny olona misokatra amin'i Jesoa dia hambarany aminy ny tsiambaratelon'ny famonjena sy ny batemy, ny misterin'ny fijaliana sy ny fitsangana-ko velona ary ny fitsarana farany. I Jesoa no fanomezana lehibe indrindra avy amin'ny Ray, mba hitondra famonjena ho an'ny olombelona sy hananana ny fiainana mandrakizay.
10 marsa 2024 — Alahady Fahefatra amin'ny Karemy — Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 14-21)
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco