♦ Efa ôfisialy fa ny 11 desambra 2024 no daty hanatanterahana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina eto amintsika. Nankatoavina ny didim-panjakana fiantsoana ny mpifidy amin'izany fifidianana izany... ♦ Hiaka-dapa eny Tsimbazaa rahampitso ny Praiminisitra, hanolotra ny fandaharan'asany ho fampandrosoana ny firenena... ♦ Mbola mitohy ny fitokonana faobe ataon'ireo mpiasan'ny FOFIFA manerana ny nosy, hitakiana ny fialan'ny Tale Jeneraly. Tsy manao afa-tsy fiandrasan-draharaha izy ireo hatramin'ny androany...
♦ Manentana ny mpino rehetra hivavaka ho an'ny mpitondra ara-pôlitika, ny Papa François, ao anatin'ilay vavaka fangantahana ampanaoviny isam-bolana... ♦ Tontosaina eny amin'ny Déhoniens Ambolonkandrina, ny fihaonan'ireo lehibem-pikambanana ao anatin'ny Congrégation Spiritain, ho an'i Afrika sy ny Ranomasimbe Indiana... ♦ Tsy mahafeno ny fiainana ny zavatra materialy, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Alahady faha-18 mandavantaona — B : Ray aman-dreny mpamelona Andriamanitra ; Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. Izay manatona an'i Jesoa Kristy, tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Azy tsy hangetaheta. Ny fimonomononana dia toetra andavanandron'ny tanora miala sakana, tsy mety manaiky sy mandray ny zava-misy, tsy mahatsapa izay tsara mahasoa azy, ary mikomy sy midongy amin'ny ray aman-dreny toa ity voalaza amin'ny vakin-teny voalohany ity izay toetran'ny vahoaka nanoloana an'i Môizy. Avy amin'ny teny hebrio "manne - o" izay midika hoe "inona itony" no niavian'ny anaran'io mofo avy any an-danitra io....
♦ Notanterahana nanomboka ny 31 jolay ary nifarana androany 2 aogositra 2024, ny fivorian'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy. Foto-kevitra niainana tamin'izany ny hoe: “Eglizy iraka”... ♦ Samy hanatontosa ny JMJ, ireo Vikaria efatra mandrafitra ny Diôsezin'i Mahajanga, mandritra ity volana aogositra ity... ♦ Notanterahana tany Roma nanomboka ny 29 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2024, ny andiany faha-13 amin'ny fivahinianana masina ataon'ny fikambanana iraisam-pirenen'ny mpiservy...
• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco