Mandresy lahatra ny tantsaha ao amin'ny Distrikan'Ambatoboeny Faritra Boeny hikajy ny tontolo iainana amin'ny fampiasàna ireo teknika fambolena mifanaraka amin'izany ny Fivondronan'ny Tantsaha Miara-mizotra... Miasa amin'ny kaominina miisa 6 ao amin'ity Distrika ity ny fikambanana efa ho 3 taona izao. Sehatr'asa ataony ny fanapariahana ny teknikam-pambolena mikajy ny tontolo iainana mba hiarovana ny nofon-tany sy ny tontolo manodidina. Manatsara ny velon-tenan'ny tantsaha amin'ny alalan'ny varotra iombonana ihany koa ny fikambanana. 4 taona niasana ny fikambanana Miara-mizotra, kanefa efa azo tsapain-tanana hoy Andriamatoa Randriazafison Tsitohaina, filoha mpanorina ny fikambanana Miara-mizotra ny vokatra azo amin'ny faharesehan-dahatry ny tantsaha amin'ny fampià izay fambolena mikajy ny tontolo iainana izay.
Nomen'Andriamanitra fahasoavana manokana i Masina Maria, niteraka ny zanany, ambony noho ny olombelona, eny, ambony noho ny anjely ihany koa. Efa ela ny tsy mpino no nanaja ny renin'Andriamanitra, fa niroborobo ny fanajàna taorian'ny Kônsily tany Efezy, rehefa nambara am-pahibe maso fa renin'Andriamanitra i Masina Maria, tamin'ny taona 431... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Nandefa teny fiarahabana sy tsodrano ho an'ny Filohan'ny Fiangonana FJKM vao voafidy, ny Fivondronamben'ny Eveka androany... • Mbola maresaka eo amin'ny sehatra politika ny fitantanan'ny Filoham-pirenena Malagasy ny vondrona SADC manomboka izao... • Miandry fatratra ny lalao ampahefa-dalan'ny CHAN, hifanandrinan'i Kenya sy i Madagasikara ny mpanohana ny Barea. Lalao hiady io rahampitso io, hoy ny mpamakafaka baolina kitra...
• Hotanterahana any Mahajanga ny 27 hatramin'ny 29 aogositra ho avy izao ny atrikasa hanaovana tombana anatiny, hanatsarana ny zotram-pifidianana eto Madagasikara. Mikarakara ny CENI Foibe sy ny rantsamangaika eny anivon'ny Distrika, Faritra ary Faritany... • Manana antontan-taratasy lasitra, fiaraha-miasa eo amin'ny Antenimieram-pirenena sy ny fikambanana IPAS Francophone, momba ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana ho an'ny vehivavy sy ny tanora i Madagasikara. Antontan-taratasy nosoniavina androany... • Mety hidangana ny vidim-bary amin'ny fotoanan'ny maitso ahitra, hoy ny Solombavam-bahoaka Fetra Rakotondrasoa. Manaitra ny tompon'andraikitra voakasik'izany izy, handray fepetra...
• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco