Nankalazaina tamin'ny fomba ôfisialy ny alahady 20 oktobra teo ny faha-35 taona niorenan'ny toby AKAMASOA, tarihan'i Mompera Pedro Opeka. Vohitra itoeran'ny Fampandrosoana ny maha-olona amin'ny lafiny ara-panahy, ara-tsaina ary ara-batana. 35 taona nanentanana ny olona hiady amin'ny fahantrana, hanana fiainana tsaratsara kokoa hatrany...
Ny fandraisana fanapahan-kevitra dia anisan’ny dingana iray lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona iray, indrindra ny tanora. Noho izany, tsara ny mamantatra ireo dingana rehetra mba afahana miroso amin’ny fanapahan-kevitra matotra sy voalanjalanja. Satria noho ny zava-misy dia maro ny mandray fanapahan-kevitra ao anaty korontana, toy ny disadisa, alahelo, na hafaliana be loatra. Izany matetika dia miteraka nenina ary mety hanakorontana na hanimba ny ho avy. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
Ny kristiana dia izay matoky ny fitiavana lavorarin'ny Rainy, ka miaina ny maha zanaka taha-dRay azy, eny fa na dia amin'ny fomba mbola tsy lavorary loatra aza. Fanomezana maimaimpoana ho an'ny mahantra ny fanjakàn'ny lanitra ka izay mieboebo ho manana ny ampy, fa tsy miantehitra amin'ny lovan'ny Ray dia handova ihany, fa tsy ho amin'ny fiainana mandrakizay... Katesizy momba ny vavaka fiderana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
♦ Nitsodrano ny vahoaka Malagasy ny Papa François amin'izao famaranana ny Sinaodin'ny Eveka any Roma izao. Manazava ny momba ny famaranana ny Sinaody i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina... ♦ Telonjato monja ny isan'ireo vehivavy mirotsaka hofidiana ho Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina amin'ny 11 desambra 2024, araka ny antontan'isa nomen'ny CENI... ♦ Nitondra valin-teny fohy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy, manoloana ny fampitam-baovao nataon'i Comores momba ny fanidiantsika ny sisin-tany...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco