Ny karazana fihetseham-po dia mety ho lasa vavaka, toy ny hoe fiderana, fangatahana tsotra, fifonanana ary mety ho fisaorana. Ny vavaka dia safidim-po, resaka tsy amin-taotra hifanaovana amin'Andriamanitra, hiresahana ny fiainana manontolo aminy. Ny vavaka atao miaraka amin'i Jesoa dia manaporo ny fifandraisana marina eo amintsika olombelona sy ny Fanahy Masina sy ny Ray Mpahary... Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.
♦ Nikaton-trano nandritra ny ora roa teny Tsimbazaza androany, ireo Solombavam-bahoaka sy ny Minisitry ny Fitantanam-bola... ♦ Nandray fepetra ny fitondrana hisorohana ny fahatongavan'ny "Choléra" eto Madagasikara. Nakatona ny sisin-tany amin'ny fitaterana an-dranomasina avy atsy Comores... ♦ Mamela malalaka ny fanondranana ny harem-pirenena ny kolikoly. Noresahana ny paikady iadiana amin'izany, nandritra ny atrik'asa niantsoana ireo mpisehatra amin'ny harena voajanahary...
Ny olom-pirenena vanona dia manana hambom-po amin'ny fitiavana ny tanindrazana, ary mirehareha amin'ny maha malagasy. Manana adidy sy andraikitra amin'ny fanabeazana, ny olona misehatra amin'ny haino vaky jery satria izy ireo dia manana anjara amin'ny famolavolana ny toe-tsaina. Hery fahaefatra lehibe ho an'ny firenena iray ny fitaovana sy ny serasera. Adidin'ny haino vaky jery ny manentana ny olom-pirenena handeha hifidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fanaraha-maso ataon'ny raiaman-dreny antoka iray mampahomby ny taom-pianaran' ny zanany. Ny raiaman-dreny dia isan'ireo mandrafitra ny telozoro-panabeazana ary manana andraikitra ankoatra mpianatra sy ny mpampianatra. Ny fanaraha-maso dia tokony hisy fanitsiana ireo tsy mety, toro-hevitra mahakasika fianaran'ny ankizy. Ny fiovana mety ho hita eo amin'ny ankizy iray dia ilana fanaraha-maso, mba hanampiana ny ankizy... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco