Mitàna anjara toerana lehibe amin'ny rohy voahary natoraly (écosystème naturel) ka miantoka ny ho avin'ny harena voajanahary ny kijàna, saingy tandindomin-doza ankehitriny. Asa raha fantatrao fa kijàna, ahitàna ireo karazana bozaka aman'ahitra isan-karazany, ny 65% amin'ny velaran-tanin'i Madagasikara...
Anisan’ny singa iray mandrafitra sy mampiavaka ny fanambadiana ny fahasamihafana, ary ny fiainan-tokatrano dia tsy afa-miala amin’izany. Koa mba ahafahana mikolokolo ny fiainam- panambadiana sy hisian’ny fiainam-pitiavana mirindra dia maro ireo singa tsara ho fantatra ao anatin’io fahasamihafàna io. Samy manana andraikitra manandrify azy ao anatin’izany na ny lahy na ny vavy, eny fa na dia ny fianakaviana aza... Fandaharana "miaina sy mitia" mba ahafahana mikoloko ny fifandraisana eo anivon’ny tokatrano, eto amin'ny radio Don Bosco.
Tsy esorin'Andriamanitra amintsika olombelona ny fepetra maha zanany antsika, ary indrindra miandry mandrakariva ny fiverenan'ny zanany mania Izy. Noho ny maha zanak'Andriamanitra antsika dia maro ireo fahagagana sady lehibe eo amin'ny fiainantsika. Andriamanitra no nanosotra antsika olombelona ho zanany, tsy mahafoy zanany izy fa ny zanaka no mahafoy ray aman-dreny... Katesizy momba ny tso-drano, iarahana amin'i P. Philippe Ranaivoarisoa.
♦ Entina amin'izao vaovao izao ny akon'ny fametrahana antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana Ben'ny Tanàna, ho an'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra... ♦ Ny 89,32%-n'ny kaominina no manana kandidà, hoy ny tatitry ny CENI. Ny kandidà nirotsaka amin'ny tsy miankina no maro an'isa: miisa 1.542 izy ireo... ♦ Tra-tehaka ihany rehefa notadiavina tao anatin'ny telo taona, ny tompony sy kaomandan'ny sambo M/S Francia III, izay nahafaty mpandeha 88...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco