Ny fahitsiana dia ilaina amin'ny fanavaozana ny firenena : fizaràna vaovao, fampahafantarana ny vola nisy nanodikodina, miaina anaty firaisan-kina. Singa miavaka anaty fanavaozana ny fahafahana maneho hevitra, ny fahafahana manaparika hevitra noho izany dia tsy voatery ho rafitra fotsiny no atao hoe fanavaozana. Ny fanavaozana dia miainga amin'ny tsirairay, ilàna fahitsiana ny fandraisana andraikitra. Kihon-dalana lehibe ny misy maneran-tany noho ny ady any Moyen-Orient, manova fo, toe-javatra ny vavaka... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Na sokajiana ho olon-dehibe aza ny olona iray dia azo antoka foana fa misy zavatra hafa mety tsy hananany traik'efa taminà andram-piainana. Ny olon-dehibe dia efa matotra, efa tompon'antoka amin'ny fiainany, mahaleo tena sy manana traik'efa. Tsy fanabeazana intsony no tena omena ny olon-dehibe noho ireo traik'efa efa ananany, fa tantsoroka no omena azy, izany hoe fanampiana. Ny fientanam-po dia tokony ho hay ny fitantanana azy sy ny fanahy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Nomen'Andriamanitra safidy malalaka ny olombelona hanao ny tsara sy handositra ny ratsy. An-tsitra-po malalaka mandrakariva anefa no itodihan'ny olona mankamin'ny tsara. Ny tena fahafahana ao amin'ny olombelona dia mariky ny maha-endrik'Andriamanitra azy. Ny fahamendrehan'ny olombelona dia mandidy azy hanao zavatra an-tsafidy malalaka ara-kônsiansy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Alahady 05 aprily 2026 - Alahady Paka : Nitsangan-ko velona tokoa i Jesoa - Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin’ny Tompo. Tsy nahatana an'i Jesoa ny herin'ny maizina sy ny fahafatesana ; nandresy ary nitsangan-ko velona ny Tompo ary tsy maty intsony. Lalina sy mahagaga ny ataon'Andriamanitra ho antsika, manambara ny nahafatesanao izay ry Tompo, mankalaza ny nitsangananao, miandry ny hiavianao amim-boninahitra. Ao anatin'ny hateloana fankalazana ny Paka dia tsy mihanona fotsiny amin'ny fahatsiarovana ny fijalian'ny Tompo isika fa hiditra amin'io Mistery io ka hataontsika fihetsepony ny fihetsepo ao amintsika, hiainana izay niain'i Jesoa...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco