Manana ny fomba mampiavaka azy ny foko Vezo, isan'izany ny "soron'anaka" fomba iray afahan'ny ray hanana fahefana amin'ny zanaka vavy. Misy karazany telo ilay fomba araka ny tranga misy, raha mbola anaty vohoka dia Soron-troka, raha efa tekaraka dia soron'anaka, fa kosa rehefa mahaleo tena (lehibe) dia soro-bata no ilazàna azy. Ny toerana fanaovana ity fomba ity dia eny amin'ny mpitan-kahomanga ; ity fomba ity dia heverina manankery ho an'iny zanaka vavy maro, iray reny, rehefa vita fomba ny iray voalohany. Ny soron'anaka dia azon'ny ray, ny anadahin-dreny na ny raibe tontosaina amin'ny zanaka vaviny...
Ny tsy fifandanjana eo amin'ny fiaraha-monina dia miteraka alahelo sy tebiteby ho an'ny marefo sy ireo tra-pahoriana, fikorontanana ara-tsôsialy sy ady eo amin'ny olona sy ny firenena, fahasahiranana amin'ny fanatanterahana ny soatoavina maha-olona. Ny Fiangonana dia manana andraikitra amin'ny fampahatsiahivana ny maha-zava-dehibe ny rariny sy ny firaisankina ary ny fanampiana ireo marefo... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
--- Andro manan-danja amin’ny tantaran’i Madagasikara ny datin’ny 29 Mars 1947, izay nisian’ny tabataba tao Moramanga, Manakara ary teto Antananarivo. Feno 79 taona ankehitriny iny hetsika nanoheran’ireo bekotro maro holatra ny fanjanahan-tany iny. Ambadiky ny 29 marsa 1947 an-daniny ny fitiavan-tanindrazana nataon’ireo ankamaroany, fa ambadika koa tetsy an-kilany ny famadihana tanindrazana nataon’ireo sasany nila ranondranony tamin’ny voanjo. ny fanamarihana ny hetsika nanoherana ny fanandevozana tamin’ireo mpanjanatany. Raha ny ara-tantara dia naherin’ny 2 hetsy ireo Malagasy namoy ny ainy teo anelanelan’ny 29 Mars 1947 hatramin’ny volana Novambra 1948...
Ny Gaudium et Spes dia foto-pampianarana ara-pastoraly momba ny Eglizy, manoloana ny vanim-potoana ankehitriny ; eny ny hafaliana sy ny fanantenana, ny fahoriana sy ny ahiahy manjoa ny olombelona amin'izao fotoana izao, manjo indrindra ireo mahantra sy mijaly dia hafaliana sy fanantenana, fahoriana sy ahiahin'ny mpianatr'i Kristy rehetra. Voaresaka ao anatin'ity fotom-pampianarana ity ny lafiny ara-pinoana sy ny ara-pitondrana, ireo toetra amam-pihetsika, araka ny toer'olombelona sy ny fivoarana misy eto an-tany amin'ny lafiny maro... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco