1 nôvambra 2023 — Ny Olomasina rehetra — Fankalazana manetriketrika — Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana Anareo Aho, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12a)
♦ Ho tonga eto Madagasikara amin'ny alakamisy 2 nôvambra 2023, ny nofo mangatsiakan'i Mgr Antoine Scopelitti. Hotanterahana ny alahady 5 nôvambra 2023 ao amin'ny Katerdraly Ambatoambo Ambatondrazaka, ny fandevenana azy araka ny fomban'ny Eglizy... ♦ Nihaona tamin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena androany, ny vondron'ny kandidà. Tsy nisy nipika ny votoatin'ny resaka nifanaovan'ny andaniny sy ny ankilany. Finiavana samy irery avy amin-dRamatoa Razamahasoa Christine, izao nandraisany ny vondron'ny kandidà izao...
Ny "SLAM" dia sehatra iray manana fitsipika : tsy mihoatra ny 3 minitra, tsy misy mozika lafika, tsy hanaovana fanamiana manokana na fampiasana fitaovana enti-maneho. Mandritra ny fanatanterahana ny Slam dia tokony hisy ireto toko telo ireto : Mpijery, Poeta, ary ny mpandrindra na "Slam Master". Misy sehatra telo samy hafa amin'ny maha sehatra ny slam : ny sehatra misokatra amin'ny rehetra, ny fifaninanana ary ny fahatelo farany dia ny hetsika fampisehoana na "Spoken Word". Ireo fitsipika amin'ny fifaninanana dia tsy mihoatra ny 3 minitra sy 10 segondra, mpitsara avy amin'ny mpijery (isa tsy ankasa), salan'isa 0 hatramin'ny 10, fampiasàna time keeper...
Tsy maintsy ilaina ny rano, na ho an'ny fiainan'ny zanak'olombelona na ho enti-manohana ny rohim-piainana voajanahary an-tanety sy anaty rano. Zava-misy : tsy niova ny habetsahan'ny tahirin-drano voajanahary ; ny mitombo ary tafahiatra anefa ny filana rano amin'ny sehatra maro samihafa ; tsy voatsinjara ara-drariny ny tahirin-drano. Ny fahalotoan'ny rano tokony ho azo ampiasaina dia miteraka aretina. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco