11 ôktôbra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito ampy roapolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 1-4)
♦ Mbola vonona hanohy ny fampihaonana hitadiavana vahaolana amin'ny krizy misy eto amin'ny firenena ny FFKM. Mandalo kihon-dàlana sarotra sy manahirana, hoy ireo Filoham-piangonana efatra mirahalahy, i Madagasikara... ♦ Nanatitra taratasy teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana, milaza ny fahavononany indray handray ny fitantanana ny firenena, ny Filohan'ny Antenimeran--doholona, Herimanana Razafimahefa... ♦ Tsy nanao fampielezan-kevitra, fa nanohy ny fidinana an-dalambe teto an-drenivohitra, ny vondron'ireo kandidà...
Ny fanagasiana dia tsy tamin'ny taona 1972 no niaingany fa efa taona maro talohan'izay ; ara-tantara dia tamin'ny taon-jato faha-XIV, noho ny fifandraisana marolafy nisy sy tsy maintsy natao toy ny varotra sy ny asa fivelomana nifototra tamin'ny fihazana hazandrano. Ireo teny nifandraisana tamin'ireo vahiny maro nifanerasera tamintsika Malagasy dia maro no nampiarana ny fanagasiana eo ny teny Sanskrit, Bantous, Swahili, Anglisy sy Frantsay. Araka ny lalan-tsaina noentin'ny Mpanoratra, Mpampianatra, Akademisianina. Andriamalala Emilson Daniel Tsiferana dia misy lafiny telo no afahana mihatrika ny fanagasiana dia ny ara-toe-tsaina, ara-pampianarana, ary farany ara-toe-karena...
Raha tsy nipetraka sy tsy manaja ny toerana sy andraikitra tokony hosahaniny ny mpitondra Fanjakana, izany hoe mihoatra ny faritry ny fahefany ka mampahory ny olom-pirenena, amin'izay dia azon'ny olom-pirenena atao ny tsy handà ny hanatanteraka izay zavatra tena ilaina amin'ny soa iombonana, izany hoe izay hitany fa tsara mikatsaka ny soa ho an'ny daholobe. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco