11 jona 2023 — Alahady, Ny Vatana aman-dRà Masin'ny Tompo — Fankalazana manetriketrika — Taona A — Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo; izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 51-59)
Ny antony mampivonto ny tongotra dia mety ho roa : ny voalohany dia vokatry ny dona na ratra, ary ny faharoa dia misy rano miandrona anatin'ny nofon-tongotra. Ny fivontosana amin'ny tongotra dia mety ahazo ny sokajin-taona rehetra. Manampy iretsy antony voalaza ery aloha dia misy antony maromaro ireto miteraka fivontosana amin'ny tongotra : tsy milamina ny fikorinan'ny rà, tsy fahampianan-tsakafo, aretina filariozy, tsy fahazakana fanafody hafa. Ny fivontosana amin'ny tongotra dia tokony ho tsaboina eny amin'ireo mpitsabo hatrany. Mety ho vokatra azo avy amin'ny aretina hafa ny fivontosana toy ny hoe : varisy, aretin'ny voa, aretin'ny fo...
♦ Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny katesizy ho an’ny fianakaviana sy ny fanatsarana ny fomba fampitana hafatra ny tombana nataon’ny pretra mpanolotra fandaharana eto amin’ny Radio Don Bosco ny talata 6 jona 2023... ♦ Miato hatramin'ny 18 jona 2023 ny asan'ny Papa François, noho ny antony ara-pahasalamana... ♦ Manentana ny mpino hivavaka ho an’ny famongorona ny fampijaliana, ny Papa François amin’ity volana jona ity...
Voalohan’ny volana jona, andro eran-tany hoan’ny ronono. Mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny malagasy ny ronono sy ny vokatra azo avy amin’ny, raha mitaha amin’ny mponina atsy Afrika sy any Eraopa. Ronono 16 litatra isan-taona no fanamby apetraka hosotroin’ny malagasy iray raha toa ka 40 litatra isan’olona atsy Afrika ary efa mahatratra 200 litatra isan’olona kosa any Eraopa...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco