Rehefa mifanakalo na miady hevitra ny olona roa dia mahita teny ierana. Ny hevitra no ampiadiana fa tsy ny olona, ny fifanakalozan-kevitra dia fampianarana antsika hitaiza fihetseham-po ary koa fankatoavana ny zon'ny olona iray haneho ny heviny. Ny fifampihainoana dia mariky ny fahamatorana. Maro ny voka-dratsin'ny tsy fifampihainoana eo anivon'ny fianakaviana, isan'ireny ny olan'ny tanora. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
♦ Tsipahan'ny KMF/Cnoe ny fisian'ny tolo-dàlana vaovao hanitsiana ny làlam-pifidianana. Tsy mahasolo tena ny vahoaka ireo namolavola io tolo-dàlana io, fa fakan-kevitra isam-paritra no tokony ho natao... ♦ Nomelohin'ny Fitsarana hiasa an-terivozona 7 taona, Ramatoa Raissa Razaivola. Niteny ampahibemaso izy androany, fa noterena handiso ny zavatra nolazainy, momba ireo mpanondrana volamena an-tsokosoko... ♦ Voatazona ho 285.000 Ariary ny karama farany ambany eto Madagasikara, amin'ity taona ity. Nampiaka-peo ny Randrana Sendikaly fa mamono mpiasa malagasy izany...
Ny risoriso dia fanaovana zavatra tsy ara-dalàna sy tsy amim-pahamarinana. Ny fanaovana risoriso dia miteraka fahavoazana ho an'ireo manao azy, anefa mety hakasika ny rehetra ihany koa, izany hoe manimba zavatra maro. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
3 mey 2023 — Masindahy Filipo sy Jakôba, Apôstôly — Fety — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo: izay mahita Ahy, mahita ny Ray, ry Filipo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 6-14)
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco