Nanampy totraka ny fahasahiranana efa iainan'ny tantsaha mpamokatra eny ambanivohitra ny vokatry ny Covid-19 sy ny fihibohana tamin'ity araka ny fehin-kevitra nivoitra nandritra ny Diniky ny mpamokatra nokarakarain'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly...
Ry havana, migadona ity ny taona vaovao 2021. Koa amin’ny anaran’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy izay eo ambany fitantanako, no iarahabako antsika mianakavy Tratry ny Taona. Mirary ny soa sy ny tsara ary ny fahombiazana ho an’ny isambatan’olona sy isan-tokantrano.
Ny foto-kevi-dehibe nandritra ny taona 2020 dia hoe: Fanavotana ny tontolo iainana ny fahaiza-miaina sy mitia amin'ny fiainana andavan'andro. Loha-hevitra telo lehibe no mamintina ny fandaharana taona 2020: Ny fanentanana mba hanavotra ny tontolo iainana, ny fifanabeazana tamin'ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19, sy ny ady amin'ny herisetra...
Talohan'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany dia mbola nisy sy tsara ny ala malagasy sy voajanahary, saingy taty aoriana dia nihasimba izany ary nosoloana hazo vahiny. Tamin'ny andro teo aloha, tsy nisy firy ny doro-tanety sy ny tevy ala ka niroborobo ny zava-maniry ary nifampiankina. isan'ny hazo malagasy ny orchidé, ny rotra, ny apalibe, ny voandelaka, ny varongy ary tamin'ireny biby amam-borona no velona kokoa...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco