Manentana ny kristianina rehetra ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, tamin'ny alahady 12 janoary 2020, mba hifarimbona amin'ny fampivoarana ny fanabeazana sy ny fanatsarana ny Seminera zandriny Ambohipo, amin'ny mandritra ny fiomanana ny fankalazana faha-zato taona.
Dingam-piainana tsy maintsy lalovana ny fitsaharan'ny fadimbolana eo amin'ny vehivavy, ka manahirana raha vao tsy hiomanana. Trandrahana ny fomba fihetsika manaja ny tontolo ao an-tokantrano sy ny manodidina azy mba tsy hanimba ny voahary.
Alatsinainy 20 janoary 2020 — Herinandro faharoa mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 18-22 — Misaotra Anao aho, ry Ray, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin'ny madinika ny tsiambaratelon'ny fanjakanao.
Mametraka tsiahy tsy azo vonoina ao amin'ny tanora ny tenin'ny zokiolona. Ary mankahery azy ireo amin'ny fotoana sarotra. Katesizin'ny Papa François momba ny anjara toeran'ny zokiolona miaraka amin'i P Justolat Rafaralahimboa.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco