Andalam-panatanterahana ankehitriny ny tetik'asa vaovao anomezan-danja ny legioma dia tsy fahita raha tsy eto Madagasikara. Tetik'asa itahirizana sy ampiasana maharitra ny zavamaniry. Misy singa lehibe efatra ny tetik'asa. isan'izany ny fikarohana ireo karazana legioma dia any amin'ny faritr'Itasy sy Vakinakaratra. Olona 15.000 no voakasik'ity tetik'asa ity eto Madagasikara.
Hita taratra tao amin'ny lahateny nataon'i Papa François, nandritra ny fandraisany ireo masoivoho vahiny miasa eo anivon'ny Fiketrahana Masina ao Vatican, tonga niarahaba azy noho ny nahatrarana ny taona vaovao, ny alakamisy 9 janoary teo, ny fiahiany an'izao tontolo izao.
Fotona nifampirariantsoa sy nifampiarahabana noho ny nahatrarana ny taona vaovao 2020 teo amin'i Papa François sy ireo masoivoho vahiny miasa ao Vatican, ny alakamisy 9 janoary.
Adidy lehibe ho antsika ny fiahina ny zokiolona. Ny fahasahiranana misy foana fa tokony atao anton-draharaha mihitsy ny famangiana ray aman-dreny matetika, hoy ny Papa François. "Izay mahavangivangy tian-kavana", hoy ihany koa ny fahendrena malagasy. Catéchèse du Pape François sur la famille, avec P. Justolat Rafaralahmboa.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco