Andalam-pivoarana ny làlam-pihariana ovy ao Vakinankaratra hoy Andriamatoa Rakotomalala Filohan'ny làlam-pihariana Ovy any an-toerana.
Alarobia 01 janoary 2020 — Masina Maria Renin'Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 16-21 — “Fahiny, tamin’ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny Mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika”.
« …Indro hafaliana lehibe no ambarako aminareo » Lk 2,10. Arahabaina nahavita soa ny Noely ary mirary soa anareo rehetra amin’izao taona vaovao 2020.
Harena sarobidy ny fiadanana sy fandriam-pahalemana, hoy ny Papa François, amin’ny hafatra ho an’ny fankalazana ny ny andro maneran-tany hivavahana ho an’ny fiadanana sy fandriampahalemana, ny 01 janoary 2020, izany nampitondrainy ny lohateny hoe : « Ny fiadanana, lalan’ny fanantenana : fifanakalozan-kevitra, fampihavanana ary fibebahana ho amin’ny hai-voahary».
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco