Misy zava-miafina izay tsy takatry ny saintsika amin'ny fiainan'i Jesoa hoy ny Papa fa maneho ny maha-Izy azy manontolo azy. Ny vavak'i Jesoa dia mifono mistery lalina izay tsy voavinavinantsika. Mila an'i Jesoa ny olona rehetra, indrindra ireo mila fanasitranana na ara-batana na ara-panahy. I Jesoa dia miaraka mivavaka amintsika ary mitondra ny vavaka ataontsika any amin'ny Rainy, hazoantsika fahasoavana. Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
♦ Tsy mbola fantatra hatramin'izao izao ho kandidàn'ny fitondrana ho Ben'ny Tanànan'Antananarivo. Mety ho ny PDS vaovao no hatolotry ny IRMAR amin'ny fifidianana amin'ny 11 desambra 2024... ♦ Misy antenaina indray ny hitohizan'ny asan'ilay sambo hôpitaly miantsona any Toamasina. Nankatoavina ny hanavaozana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny “Mercy Ships” sy ny Governemanta Malagasy... ♦ Miakatra ny tahan'ny dorotanety rehefa anaty taom-pifidianana tahaka izao, hoy ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana. Misy ny fanentanana ny rehetra handray andraikitra...
28 aogositra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 27-32)
♦ Miandrandra asa mivaingana amin'ny PDS vaovaon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny mponina, hoy ny ONG Tolotsoa. Tsy tokony hirona amin'ny fiatrehana fifidianana ity tompon'andraikitra ity, hoy izy ireo... ♦ Nohamafisin'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena androany, fa tsy mandoa saram-pianarana ny mpianatra any amin'ny sekolim-panjakana manerana ny nosy amin'ity taom-pianarana ity... ♦ Mampiantrano ny dinika nasiônaly momba ny famatsiam-bola ho an'ny tontolo iainana ny eto Antananarivo. Noraisin'ny Filoham-pirenena ny delegasiôna avy amin'ny FEM, mandray anjara amin'ny dinika...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco