Ny fisotroana toaka be sy tsy tapaka dia mampitombo ny mety hisian'ny aretina maro toy ny homamiadana, aretim-po. Ny toaka dia miteraka poizina lehibe ho an'ny fo ary mampiakatra ny tosi-drà ka mety hiteraka aretina hafa. Ny fisotroana toaka dia miteraka tebiteby lava, lasa ketraketraka, mikorontana ny fitondran-tena ka lasa tsy mahafehy tena intsony... Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
♦ Voasambotra androany teny Mahamasina, ny filoha mpitarika ny Antenimieran'ny Ray aman-dreny Foko Malagasy. Tsy fantatra mazava ny antony, fa mety misy ifandraisany amin'ny hetsika kasaina hotanterahana amin'ny sabotsy izao... ♦ Nomarihana androany 22 febroary, izay daty nahaterahan'ny mpanorina azy, ny Andro maneran-tany ho an'ny Skotisma... ♦ Niampy telo indray ireo faritra miroso mankany amin'ny tany hay na voakasiky ny fiangazanana, eto Madagasikara. Milaza ho tsy mipetra-potsiny ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana, manoloana izany...
Ny fanabeazana ao amin'ny ankohonana no tena antoky ny fivelaran'ny zanaka. Ny tokony ho fijerin'ny ray aman-dreny ny fampandraisana andraikitra ny zanany any an-tsekoly dia mifototra amin'ny fahafantarana ny lanjan'ny fampandraisan'andraikitra ary vonona hiara-hiasa amin'ny sekoly amin'ny fanohizana ny fanabeazana any an-tokantrano. Fampianarana ny ankizy ny andraikitra omena azy any an-tsekoly... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
21 febroary 2024 — Alarobia, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-32)
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco