• Nilaza ho tsy mahafantatra mazava ny antony nanagiazana ny foiben'ny antoko HVM eny Andraharo, Andriamatoa Alain Désiré, Sekretera jeneralin'ny antoko... • Manamafy ny fahaiza-manaony amin'ny fandrindrana ny ady atao amin'ireo loza ara-tontolo iainana i Madagasikara. Nifarana androany teny Ankorondrano rehefa naharitra efarana ny fiofanana IMS 300... • Miandry fatratra ny fihaonana iarahana amin'ny Ben'ny Tanana vaovao, Harilala Ramanantsoa, ny Sendikan'ny Mpiasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra na ny SMKAR...
Maro ireo soatoavina malagasy tsara sy azo iainana ary nampiavaka ny mponina teto amin'ity nosy Madagasikara ity. Soatoavina mampandroso toa ny Fitiavana, Fahamarinana, Fihavanana. Tsy maintsy ny Malagasy rehetra anefa no miara-miaina ireo soatoavina ireo mba hisian'ny fandrosoana azo antoka. Manana ny lanjany ny fanabeazana, koa mila mivonona ny ray aman-dreny hanoro lalana mahitsy ny zanany, indrindra handala ny soatoavina... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
20 février — I Masimbavy Aimée dia avy amin'ny fianakaviana kristianina malaza tao Assise. I Masimbavy Claire, ilay nanara-dia an'i Masindahy François d'Assise no nenitoany ary i Frère Rufin no dadatoany.
Ny fitiavana dia sahala amin'ny tady tsy hita maso mampifandray fon'olona roa, lahy sy vavy. Sarotra ho an'ny tanora ny mamantatra ny tena fitiavana sy ny haitraitra, ny fitiavana anefa tsy lamaody. Raha mbola latsaky ny 17 taona dia mbola tsy matotra ary mbola tsy mahalala ny lanjan'ny fitiavana ny tanora iray. Maro ny diso amin'ny hoe "fitiavana" mira " firaisana ara-nofo... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco