I Madagasikara dia isan'ireo firenena mbola ahitana tranganà kolikoly betsaka indrindra, noho ireo tsy fahadiovana eo amin'ny fitondran-draharaha. Porofo mivainga, ny fanendrena tompon'andraikitra, amin'ny famitana tolo-draharaha eny anivon'ireo ministera sy ireo orinasa. Raha tiana ny handrosoan'ny Firenena dia atao ezaka ny fialana amin'ny kolikoly : aoka tsy ny vola na ny hafa no hanosika amin'ny fanapahan-kevitra, fanajana fotoana sy fanonerana ireny, fanajana ny hasin'ny hafa sy ny hasin'ny tena, fanaovana laharam-pahamehana ny tombontsoa iombonana, hiaino ny finoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 29 martsa 2026 - Alahady Sampankazo - Fandinihana ny fijalian’ny Tompo - Ho antsika, dia nanolo-Tena i Kristy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra. Ny vola noraisin'i Jodasy tamin'ny takalon'ny fanoroana an'i Jesoa dia taratry ny famadihana ny hafa, amin'ny toe-piainana ankehitriny, no sady tsy firaiketana intsony amin'ny marina, ary miafara amin'ny fomonoana aina. Mila mivavaka isika indrindra anatin'ny sarotra ; i Jesoa zanak'Andriamanitra dia nanaiky ny hitondra ny hazofijaliana ho fanafahana ny olombelona...
Maro ny olona no tsy mino fa misy ny aretina SIDA eto Madagasikara, ary indrindra ny fitsaboana izany. Ny tsimok'aretina VIH no mitarika amin'ny tambatr'aretina SIDA. Misy ny aretina mpanararaotra miaraka amin'ny VIH dia ireo aretina manamarika ny fihidinan'ny hery fiarovana. Ny fisorohana voalohany indrindra dia ny fitiliana, manaraka izay ny fitandremana amin'ny lafiny firaisana ara-nofo, fanarahana fitsaboana amin'ireo efa marary mba tsy hamidra amin'ny hafa... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Velon-taraina ireo tantsaha, ny fikambanan'ny tantsaha samihafa, ny vovonam-pikambanana ary ny sendikan'ny mpamboly vary fa mamono antoka tanteraka azy ireo ny vidin'ny vary akotry. Manahy ny amin'ny ho avy izy ireo raha izao no mitohy. Tandindomin-doza ny ho avin'ny famokarana sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo ary ny fahamarinan-toerana ara-toekarena. Mamono antoka ny mpamokatra ny vidin'ny vary akotry amin'izao fotoana izao. Fanamambarana nataon'ireo Vondron'ny fikambanan'ny tantsaha mpamokatra ahitàna ny FTM CPM, ny FEKRITAMA, ny FIFATA, ny KOLOHARENA, ny SOA, ny FVTM, ny MDB ary ny Tranoben'ny Tantsaha mpamokatra Nasiônaly...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco