Misy ny olona voasokajy ho vahoaka fotsiny fa tsy olom-pirenena. Ahoana ary ny hanomanana sy hamolavolana ny Malagasy ho tena olom-pirenena mahalala sy mahafantatra ny adidiny sy ny andraikiny ? Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Adidin'ny diosezy tsirairay ny manome ny toromarika amin'ny fomba fiasa sy mandrindra ny atrikasa rehetra any amin'ny fiangonana mba hahafahan'ny sokajin'olona rehetra mandray anjara amin'ny fanomanana ny sinaodin'ny eveka: fanendrena ny mpandrindra, fampandraisana anjara ny olona rehetra,ny fanentanana ny olona hihaona hiantso ny Fanahy masina eo am-pamaliana ny fanontaniana, ny fanangonana ny valim-panontaniana, ny daty hamerenana azy. Fanazavana entin'i P. Faliarilala Thierry Pascal, Ekipa nasionaly mpandrindra ny sinaody
♦ Hiainga eto Antananarivo, ho any Antsirabe amin'ny alatsinainy 20 desambra 2021 ny Lakroa JMJ Mada... ♦ Notokanana omaly ny Fiangonana Notre-Dame de Lourdes, Miaramasoandro Antsirabe... ♦ Nanentana ny mpino handray anjara amin'ny soa iombonana, mandritra ny vanim-potoanan'ny Fiaviana ny Papa François...
Efa maro ny lohahevitra noresahina mahakasika ny fanehoam-pitiavana. Ny vatana mifanakaiky dia isan'ny fanehoam-pitiavana hafa koa, izay mamoaka onjan'ny firaisan-tsaina sy onjan'ny fifampitokisana. Ity fomba fanehoana fitiavana ity dia azon'ny rehetra atao na eo amin'ny mpivady na eo amin'ny mpianaka. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco