• Niakatra fitsarana momba ny raharaha famotsiam-bola hanenjehana azy atsy amin'ny nosy Maurice androany, Andriamatoa Mamy Ravatomanga. Nentina hopitaly hafa indray ity mpandraharaha Malagasy ity, tao aorian'ny fakana am-bavany azy... • Namaly ny Tale Jeneralin'ny CNaPS ny orinasa SMGD androany, momba ilay fisamboram-bola 11 miliara Ariary, tao amin'ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy... • Heverina hivaha ny olana nanaovan'ireo mpampianatra amin'ny sekolim-panjakana fitokonana lavareny. Nataon'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena sonia androany, ny fifanarahana mirakitra ny fitakian'izy ireo...
Ny mitantana firenena dia fandraisan'anjara ; ny kara-panondrom-pirenena dia midika fananana andraikitra sy adidy amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina sy ny firenena. Ny fanantenana amin'ny mety ho fandrosoan'i Madagasikara dia miainga amin'ny tsirairay, ialàna lavitra ireo toetra sy fomba mamotika ny firenena toy ny fandrobana vola sy ny harena maro samihafa. Ny toe-tsaina dia singa iorenan'ny fomba amam-panao mitondra amin'ny fahavononana. Sotoavina tsara tazomina : fifanajàna, fahamarinana, fifampitokisana... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Miorom-paka : rehefa mahazo faka ny voa iray dia mivoatra tsikelikely ny fitomboany ary tonga ho hazo lehibe ary isika olombelona dia toa izany ; ny singa rehetra azo eo amin'ny fiaraha-monina dia miteraka fandrosoana ho an'ny olona iray, amin'ny lafiny ara-batana, ara-panahy. Ny fisokafana amin'ny fiaraha-monina amin'ny lafin-javatra hafa dia lalana iray hizorana amin'ny fandrosoana, afaka mandray sy afaka mizara fahalalana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Niditra an-tsehatra namaha ny olan'ireo mpampianatra teny amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena ny Kolonely Gervais Andriamiarisoa, Mpanolotsaina Avo eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... • Nifampitsapa hery teny Analakely androany, ireo mpomba sy mpanohitra ny fanesorana ny Ben'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra, Harilala Ramanantsoa... • Niroso amin'ny famahana ny olan'ny angovo eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo ny fitondram-panjakana...
• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco