• Nihaona teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha androany ny Filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina sy ny Filohan'i Slovenie Natasa Pirc Musar. Nisongadina nandritra izany fa mifototra amin'ny lafin-javatra telo lehibe ny fiaraha-miasa eo amin'ny tany roa tonta... • Tsy mifanaraka amin'ny fiainam-bahoaka ireo fepetra raisin'ny mpitondra ankehitriny hoy ny MMM. Takian'ity antoko ity ny hisian'ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakana mba hifanaraka amin'ny zava-misy eto amin'ny firenena... • Mandray anjara amin'ny fanamarihana ny andron'ny 5 jona, andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana, ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety mikirakira ny tontolo iainana na ny AJE...
Anisan'ny tena mampiavaka ny Eglizy Katôlika izay manana ny toetrany manokana (iray, masina, katôlika, apôstôlika) ny fananany rafitra maty paika sady matotra ka ijoroany hatrany am-piandohana hatramin'ny namoronan'i Kristy azy tamin'ny Apôstôly dia i Piera no filohany sy ireo dimbiny mandrak'ankehitriny. Ny Eglizy dia fiombonan'ny vahoakan'Andriamanitra, handraisana famonjena... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Hanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana isika amin'ity herinandro ity. Ny 5 jiona izao ny marimarina kokoa, ary fanamarihana faha – 52, araka ny nametrahan'ny Firenena Mikambana azy ny taona 1973. 52 taona ‘zany izay no nivoizana foana fa tokony arovana ny tontolo iainana. Fotoana iray ny isaky ny 5 jiona, ahafahana manentana ny rehetra hiaro ny tontolo misy antsika. Anisan’ny loza mitatao ankehitriny ny fako plastika. Miompana amin'izany rahateo ny fanentanana ho an’ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana amin’ity taona ity. Mamotika ny rohy Voahary an-tanety sy an-dranomasina izy ireny. Mihena ny vokatra ara-pambolena, noho ny fiparitahany.
02 jona — Tovovavy nobaboina i Masimbavy Blandine, maty martiry tao Lyon tamin’ny fotoana nanjakan’ny amperora Marc Aurèle tamin’ny taona 177. Nahery fo tokoa ity tovovavy ity tamin’ny fotoana nampijaliana azy. Maro ireo namany no tsy nahatanty ny fampijaliana ka niverin-dalana ary nihemotra tamin’ny finoana fa izy kosa dia sahy nijoro hatramin’ny farany.
• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco