Lahatr'Andriamanitra ny isian'ny zava-mitranga sy izay tsy maintsy misy araky ny toetr'andro ankehitriny. Finoana no tsy maintsy hamaliana ny antso ; Andriamanitra no miantso hanohy ny fahariana, hiaro ny aina, asa entina mizaka ny tany, fitiavana sy fanajàna ny hafa. Miantefa amin'ny olombelona rehetra ny antson'Andriamanitra hiaina ny fifampitsinjovana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Ny fahombiazana dia miainga amin'ny fanadiovana ary ny fanarenana marina dia ny tsy fiankinana amin'ny tsindry aloka avy any ivelany na ireo Malagasy mpambotry sy mpangorin-karena, mpanao ampihimamba fahefana. Ho fanavaozana ny firenena dia ilaina ny firaisan-kina, ny fahavonona, ary ny fanapahan-kevitra matotra. Ny tena ray aman-dreny dia ireo izay mitsinjo ny ho avin'ny taranany. Ny fisokafana sy fiaraha-miasa amin'ny hafa dia harena lehibe afahana mampandroso ny tena sy ny firenena... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fanabeazana dia miainga amin'ireo ray aman-dreny, mpanabe tompon'ny fahalalana, fahendrena ary ny fahamarinana. Ny olombelona dia efa manana ny maha izy azy, vatana, fo, saina ary fanahy, etsy ankilany anefa ny adidy sy andraikitry ny ray aman-dreny sy ny mpanabe ny mampivelatra kokoa ireo singa samihafa ireo. Ny haino aman-jery dia manana anjara biriky goavana amin'ny lafiny fanabeazana ; anefa ilaina ny fandraisan'andraikitry ny ray aman-dreny noho ny fahasamihafana sy fihamaroan'ny fomba fanabeazana misy, indrindra manoloana ny fandrosoan'ny teknôlojia ankehitriny... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Manana ny fomba mampiavaka azy ny foko Vezo, isan'izany ny "soron'anaka" fomba iray afahan'ny ray hanana fahefana amin'ny zanaka vavy. Misy karazany telo ilay fomba araka ny tranga misy, raha mbola anaty vohoka dia Soron-troka, raha efa tekaraka dia soron'anaka, fa kosa rehefa mahaleo tena (lehibe) dia soro-bata no ilazàna azy. Ny toerana fanaovana ity fomba ity dia eny amin'ny mpitan-kahomanga ; ity fomba ity dia heverina manankery ho an'iny zanaka vavy maro, iray reny, rehefa vita fomba ny iray voalohany. Ny soron'anaka dia azon'ny ray, ny anadahin-dreny na ny raibe tontosaina amin'ny zanaka vaviny...
• Notanterahina ny 16 jolay 2026 tao amin'ny Katedraly Kristy Mpanjaka Miarinarivo ny fanaovam-beloma farany an’i Mgr Raymond Julien Razakarivony... • Afafy ka meva ny finoana, io no sori-dalana pastoraly natolot’i Mgr Jean de Dieu Raoelison ho an’ny Arsdiosezin’Antananarivo... • Nosoniavina ny 16 jolay 20026 ny “Déclaration de Rome” momba ny fandraisana andraikitra manoloana ny fitaovam-piadiana nokleary sy ny saina voatran'olombelona...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco