Ny atao hoe "FANAMBY" dia ahitana ny foto-teny hoe "TAMBY", izany hoe Valisoa sy tanjona. Ny fanamby ho an’ny fianakaviana dia ny mba ho fianakaviana mifanohana sy mifanampy , mifankatia mba ahazoana ny tena fahasambarana sy fiadanana. Ny vahaolana manoloana sedra hatrehin'ny fianakaviana : mifandefitra , mifampihaino , mifanaja , mifampiresaka.... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny fandraisan'ny vahoaka anjara mavitrika, tsy hanavahana. Ny Eglizy dia maniry fatratra mba ny rehetra,olon-drehetra, dia handray anjara amim-pinoana sy amim-panahy amin'ny fankalazana Litorjika ; satria izany no loharanon'ny fiainam-panahy kristiana. Ilaina ny fiofanana mba hahafahana mandray anjara, sao dia manaonao foana, mba mahalala ny fizotra ny Litorjia... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.
• Namoaka hafatra momba ny fiainam-pirenena ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivoriana fanao isan-taona natrehan'izy ireo... • Niakatra Fampanoavana androany tolakandro teny amin'ny PC 67 ha, ireo nohadiadian'ny BIACO, momba ny raharaha 11 miliara tao amin'ny CNaPS. Isan'ireny ny Ben'ny Tananan'Antananarivo... • Mafampana ny toe-draharaha eo anivon'ny MAMA. Nampiantso fivoriana maika ny sendikan'ireo mpitatitra manerana an'i Madagasikara, momba ny fitantanana eo anivon'ity trano fiantohana ity...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco