Ny tsiky dia avy ao anaty, midika hafaliana io no mitondra fitoniana ; endrika ivelany ahatarafana sahady ny finiaivana hametraka fiovana, manome lanja ny fifandraisana sy ny fifampihainoana. Manana anjara adidy fampandroso ny firenena ny tsirairay, ny hevitry ny maro mantsy no mahataka-davitra. Ny olona vanona sy vonona dia miasa an-drariny ary miteraka fampandrosoana maharitra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny zokiolona dia ireo 50 taona mihoatra, sokajin-taona vaovao ary toe-pahasalamana vaovao no iainan'ireo olona ireo : fanimpanina, tsy mahare loatra, fahasalamana anaty, fiovana ety ivelany. Ny taona dia mifamatotra amin'ny fahasalamana, misy araka izany ny fepetra raisina mba afahana manara-maso ny fahasalamana ; ilàna fandanalanjana ny sakafo sy ny fihetseham-batana.... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Nijoro androany ny Governemantan'ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo, ahitana mpikambana 29. Omena roa volana ireo Minisitra vaovao, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Kolonely Randrianirina Michaël... • Mitaky ny hametrahana olona ao aminy hisahana ireo andraikitra samihafa ao aminy ny Sendikan'ny Mpiasan'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Mitaky ny hanomezana ny zo feno tokony hositrahan'ireo mpiasam-panjakana mandeha misotro ronono, ny Sendikan'ny Mpiasam-panjakana Misotro ronono ao amin'ny Minisiteran'ny Fitantanam-bola... • Tsy mankasitraka intsony ny hitsabahan'i Lafrantsa amin'ny raharam-pirenena eto Madagasikara, ireo olom-pirenena Malagasy saro-piaro amin'ny fiandrianam-pirenena...
Ireto vokatry ny "Sacrosanctum Concilium : Fanavaozana lalina ny Lamesa, nampidirana ny fiteny teratany amin'ny litorjia ; Fandraisan'ny vahoaka anjara mavitrika, amin'ny hira, famaliana, famakiana Tenin'Andriamanitra ; Fiverenan'ny Lanjan'ny Soratra Masina ; Fanavaozana ny tetiandro litorjika ; Fiombonana amin'ny kolontsaina sy fiteny manerana ny tany...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco